1 Nataon'i Solomona. Andriamanitra , omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarnao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.

2 Hitsara* ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]

3 Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.

4 Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.

5 Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.

6 Hidina tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.

7 Ny marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.

8 Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony* ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]

9 Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.

10 Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.

11 Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.

12 Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;

13 Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.

14 Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rny.

15 Dia ho velona ireny ka hanome azy* volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]

16 Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.

17 Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra*.[Izaho Gen.xxii. 18]

18 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;

19 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.

20 Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
